<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>O. Ahnfelt</author>
<hymn_number>380</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Mba mifohaza re, henoy izao
 Ny hafatra ataon'ny
 Tomponao,
 Ny Tompo, izay Mpanjaka
 manan-kery
 Mikatsaka anao,
 ry olom-bery !

[V2]
 Dondòniny ny fo, ka hianao
 Mandrindrina ny
 varavaranao !
 Tandremo sao dia sasatra ny
 fony,
 Sao lasa Izy ka tsy avy
 intsony.

[V3]
 Fa indro Izy mbola atý izao
 Mitady hampiverina anao
 Ka aza lavina ny Tompo tsara,
 Sao hianao ho ratsy fiafara.

[V4]
 Faingàna ary, ka ampandrosoy
 Ilay Sakaiza Izay nahafoy
 Ny ainy hoanao mpanota very,
 Tsy misy Mpamonjy afa-tsy
 Izy irery

[V5]
 Ifony aminy ny helokao,
 Hariany ka tsy ho hitanao,
 Ka hianao izay mendrika ho
 voa
 Hatsangany ho zana-dRay
 Tsitoha

[V6]
 Ka raha renao ao anaty fo
 Ny fiadanana izay mahatò
 Ny famelana ny helokao
 rehetra
 Dia aoka mba handrasanao ny
 fetra.

[V7]
 Akaiky re ny fahafahana,
 Ka mba zakao ny
 hatrotrahana,
 Ho avy faingana Jesosy
 Tompo
 Ka dia ho afaka ady ny
 Mpanompo.

[V8]
 Rehefa hitanao ny Tomponao
 Dia afaka ny hasasaranao,
 Hijanona ny sento sy taraina
 Fa hobin-danitra no
 hohiraina.</lyrics>
<title>Mba mifohaza re, henoy izao FFPM380</title>
</song>